Romans 2

1Noho izany dia tsy manana fialan-tsiny ianao, ry olona, ianao izay mitsara, fa izay itsaranao ny hafa no anamelohanao ny tenenao. Fa ianao izay mitsara dia manao ireo ihany koa. 2Nefa fantatsika fa ny fitsaran’Andriamanitra dia araka ny marina rehefa mianjera amin’ireo izay manao zavatra tahaka ireo izany.

3Fa hevero izao, ry olona, ianao izay mitsara ireo izay manao zavatra tahaka ireo na dia manao tahaka ireny koa aza ianao. Hitsoaka ny fitsaran’Andriamanitra va ianao? 4Sa hamaivaninao ny haren’ny hatsaram-panahiny, ny fandeferany, ary ny faharetany? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-panahiny dia natao hitarika anao amin’ny fibebahana?

5Fa izany dia ho amin’ny halehiben’ny hamafy sy tsy fibebahan’ny fonareo no anangonanareo fahatezarana ho an’ny tenanareo amin’ny andro fahatezerana, izany dia, ny andron’ny fanehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra. 6Hamaly ny olona rehetra amin’ny fatra mitovy amin’ireo nataony Izy: 7hanome araka ny faharetana, ny asa tsara mitady dera, voninahitra, ny tsy fahafatesana, fiainana mandrakizay Izy.

8Fa ho an’ireo izay mitady ho an’ny tenany, izay tsy mankatoa ny marina fa mankatoa ny tsy fahamarinana, dia ho avy ny fahatezerana sy ny ny fasikana. 9Andriamanitra dia hitondra fahoriana sy fahantrana amin’ny fanahin’ny olona rehetra izay nanao ratsy, amin’ny Jiosy aloha, ary amin’ny Grika ihany koa.

10Fa dera, laza, ary fiadanana no ho avy amin’ireo izay manao ny tsara, amin’ny Jiosy aloha, ary amin’ny Grika ihany koa. 11Fa tsy misy fiangarana miaraka amin’Andriamanitra. 12Fa izay rehetra nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana lalàna ihany koa, ary izay rehetra nanota niaraka tamin’ny fanajana ny lalàna dia ho tsaraina araka ny lalàna.

13Fa tsy ireo mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa ireo izay mampihatra ny lalàna no nohamarinina. 14Fa ireo jentilisa, izay tsy manana ny lalàna, rehefa manao ny zavatra momban’ny lalàna araky ny voajanahary, dia izy ireo no lalàna ho an’ny tenany, na dia tsy manana ny lalàna aza izy ireo.

15Amin’izany no anehoan’izy ireo fa ny asa angatahan’ny lalàna dia voasoratra ao am-pon’izy ireo. Ny fieritreretan’izy ireo ihany koa dia vavolombelona ho azy ireo, ary ny fisainan’izy ireo manokana dia na manameloka na miaro azy ireo amin’ny tenan’izy ireo 16ary koa amin’Andriamanitra. Izany dia hitranga amin’ny andro izay hitsaran’Andriamanitra ireo tsiambaratelon’ny olona rehetra, araka ny filazantsarako, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

17Fa raha toa ka Jiosy no hiantsoanao ny tenanao ary miankina amin’ny lalàna sy mirehareha ao amin’ Andriamanitra, 18ary mahalala ny sitrapony sy mamantatra izay zavatra tsara indrindra satria nampianarina tamin’ny lalàna ianao; 19ary raha toa ka resy lahatra ianao fa ny tenanao dia mpitarika ny jamba, fahazavana ho an’ireo izay ao amin’ny aizina, 20mpanitsy ny adala, mpampianatra ny zazakely, ary anananao ao amin’ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina, dia ahoana izany no fiantraikan’izany amin’ny fomba hiainanao ny fiainanao?

21Ary ianao izay mampianatra ireo sasany, tsy mampianatra ny tenanao va ianao? Ianao izay mitory manohitra ny halatra, mangalatra va ianao? 22Ianao izay miteny fa tsy tokony hijangajanga, mijangajanga va ianao? Ianao izay mankahala ny sampy, mandroba ireo tempoly va ianao?

23Ianao izay faly mirehareha ao amin’ny lalàna, manala-baraka an’Andriamanitra va ianao amin’io fandikanao ny lalàna io? 24Fa “ny anaran’ Andriamanitra dia efa afa-baraka teo amin’ireo Jentilisa noho ianareo,” araka izay efa voasoaratra.

25Fa mahazo tombony amin’ny famorana tokoa ianareo raha toa ka mankatoa ny lalàna, fa raha mandika ny lalàna ianareo, dia tonga tsy voafora na dia efa voafora aza ianareo. 26Arak’izany, raha olona tsy voafora no mitandrina izay takian’ny lalàna, tsy hatao ho isan’ny voafora va izy na dia tsy voafora aza? 27Ary tsy ho helohin’ilay iray izay tsy mifora ara-boajanahary va ianareo raha toa ka mitandrina ny lalàna izy? Izany dia satria manana ny lalàna voasoratra sy ny famoràna ianareo, nefa mbola mandika ny lalàna!

28Fa izy dia tsy jiosy amin’ny endrika ivelany fotsiny; na amin’ny famoràna izay miseho amin’ny endrika ivelan’ny nofo fotsiny. Fa izy dia jiosy ao anaty, ary ny famorana izay an’ny fo, ao amin’ny Fanahy, fa tsy ao amin’ny soratra. Ny fiderana ny olona tahaka izany dia tsy avy amin’ny olona fa avy amin’Andriamanitra.

29

Copyright information for PltULB